-
Eksodosy 37:6-9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Nanao ny sarony tamin’ny volamena tsy misy fangarony izy.+ Roa hakiho sy sasany ny lavany ary iray hakiho sy sasany ny sakany.+ 7 Dia nanamboatra kerobima volamena roa izy.+ Notefeny tamin’ny marotoa ireo, ary nataony teo amin’ny sisiny roa amin’ny sakan’ilay sarony.+ 8 Teo amin’ny sisiny iray ny kerobima iray, ary teo amin’ny sisiny ilany ny iray. Napetrany teo amin’ny sisiny roa amin’ny sakan’ilay sarony ireo kerobima. 9 Samy nivelatra niakatra ny elatra roan’ireo kerobima, ka nanaloka an’ilay sarony.+ Ary nifanatrika izy ireo sady niondrika nijery an’ilay sarony.+
-