-
Hebreo 9:4, 5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Tao no nisy ny fitaovana volamena fandoroana emboka manitra+ sy ny Vata misy ny fifanekena.+ Nopetahana takela-bolamena+ ilay Vata manontolo, ary tao amin’izy io ny siny volamena nisy ny mana,+ sy ilay tehin’i Arona nitsimoka,+ ary ny takela-baton’ny+ fifanekena. 5 Ary teo amboniny no nisy ny kerobima be voninahitra, izay nanaloka an’ilay sarony fampihavanana.*+ Tsy izao anefa no fotoana tokony hiresahana an’izany rehetra izany amin’ny an-tsipiriany.
-