FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Levitikosy 24:5, 6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 “Haka lafarinina tsara toto ianao ka hanao mofo boribory 12, dia hanao an’izany ao anaty lafaoro. Lafarinina roa ampahafolon’ny efaha* no hanaovana ny mofo tsirairay. 6 Zarao ho roa toko ireo mofo ireo ka ataovy mofo enina mifanaingina ny toko tsirairay,+ dia ataovy eo ambonin’ilay latabatra vita amin’ny volamena tsy misy fangarony, eo anatrehan’i Jehovah.+

  • 1 Samoela 21:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Nomen’ilay mpisorona azy àry ny mofo masina.+ Tsy nisy mofo mantsy tao afa-tsy ny mofo aseho, izay efa nesorina teo anatrehan’i Jehovah ka nosoloana mofo vaovao tamin’ny andro nanesorana azy.

  • 1 Tantara 9:32
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 32 Ary ny sasany tamin’ny taranaky ny Kehatita rahalahin’ireo kosa no niandraikitra ny mofo mifanaingina,*+ ka nanomana an’izany isaky ny sabata.+

  • 2 Tantara 13:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Manolotra fanatitra dorana mba hidona-tsetroka ho an’i Jehovah izy ireo isa-maraina sy isaky ny takariva,+ sady mandoro emboka manitra.+ Alamin’izy ireo eo ambony latabatra vita amin’ny volamena tsy misy fangarony koa ny mofo mifanaingina.*+ Dia ampirehetin’izy ireo isaky ny takariva ny jiro+ eo amin’ny fitoeran-jiro volamena.+ Manao ny andraikitray amin’i Jehovah Andriamanitray mantsy izahay, fa ianareo kosa efa nahafoy azy.

  • Matio 12:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy, dia nihinana ny mofo atolotra*+ ry zareo. Tsy nisy nahazo nihinana an’izany anefa na izy na ny olona niaraka taminy, afa-tsy ny mpisorona ihany.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara