-
Hebreo 8:5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Manao fanompoana masina ireny olona ireny, ary taratra sy aloky+ ny zavatra any an-danitra+ ny fanompoana ataony. Hita tamin’ilay didy nomen’Andriamanitra an’i Mosesy izany, tamin’izy efa hanorina ny tranolay. Izao mantsy no didy nomeny: “Mitandrema tsara mba hifanaraka amin’ilay modely naseho anao tatỳ an-tendrombohitra no hanaovanao ny zava-drehetra.”+
-
-
Hebreo 9:11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Efa lasa mpisoronabe anefa i Kristy, ary mandray fitahiana avy amin’izany isika. Rehefa lasa mpisoronabe izy, dia niditra tao amin’ny tranolay lehibe kokoa sy lavorary kokoa ary tsy nataon’ny tanan’olona, izany hoe tsy anisan’ny zavatra eto an-tany.
-