-
Eksodosy 28:4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 “Ireto avy ny akanjo hamboarin’izy ireo: Saron-tratra,+ efoda,+ akanjo tsy misy tanany,+ akanjo lava karôkarô, satroka lamba,*+ ary fehikibo lamba.+ Hanamboatra an’ireo akanjo masina ireo ho an’i Arona rahalahinao sy ny zanany lahy izy ireo, mba ho afaka hanao ny asan’ny mpisorona eo anatrehako i Arona.
-
-
Levitikosy 16:4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Tokony hanaovany ny akanjo lava masina vita amin’ny lamba rongony.+ Ary tokony hanarona ny vatany* ny kilaoty lava* vita amin’ny lamba rongony.+ Tokony hanaovany koa ny fehikibo lamba rongony,+ ary hataony mihodidina ny lohany ny satroka lamba rongony.+ Akanjo masina ireo,+ ka handro amin’ny rano izy+ vao hanao an’ireo.
-