-
2 Tantara 26:18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Dia nanohitra an’i Ozia Mpanjaka izy ireo, ka niteny taminy hoe: “Tsy mety, ry Ozia, raha ianao no mandoro emboka manitra ho an’i Jehovah.+ Ny mpisorona ihany no tokony handoro emboka manitra, satria ry zareo no taranak’i Arona+ sady efa nohamasinina. Mivoaha ato amin’ity toerana masina ity fa nivadika tamin’Andriamanitra ianao, ary tsy hahazo voninahitra avy amin’i Jehovah Andriamanitra amin’izao ataonao izao.”
-
-
Ezekiela 8:11, 12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Nisy anti-panahy 70 teo amin’ny taranak’Israely nijoro teo anoloan’ireny, ary niara-nijoro taminy koa i Jazania zanak’i Safana.+ Samy nitondra ny fitaovany fandoroana emboka manitra izy ireo, dia niakatra ny setrok’ilay emboka manitra nodorana.+ 12 Ary hoy izy tamiko: “Hitanao ve, ry zanak’olona, izao ataon’ny anti-panahin’ny taranak’Israely ao amin’ny maizina izao? Jereo ny ataony ao amin’ireo efitrano anatiny ametrahan’izy tsirairay ny sampiny. Hoy mantsy izy ireo: ‘Tsy mahita antsika ange i Jehovah e! Efa nafoin’i Jehovah ny tanintsika!’”+
-