-
Nomery 14:13, 14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Hoy anefa i Mosesy tamin’i Jehovah: “Dia ho henon’ny Ejipsianina izany, nefa ianao efa nampiasa ny herinao dia namoaka an’ity vahoaka ity avy teo amin-dry zareo.+ 14 Dia horesahin-dry zareo amin’ny mponin’io tany io izany. Efa henon-dry zareo koa fa eto amin’ity vahoaka ity ianao,+ Jehovah ô, sady miseho aminy sy miresaka aminy mivantana.+ Ianao no Jehovah, ary asianao rahona eo ambonin’ny vahoakanao. Mandeha eo alohany ao anatin’ny andry rahona koa ianao rehefa antoandro, ary ao anatin’ny andry afo rehefa alina.+
-