FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 22:27
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 Fa iny ihany no mba firakofany, ary iny no mba fitafiana anaronany ny tenany.* Koa inona no hoentiny matory?+ Rehefa mitaraina amiko izy, dia tena hohenoiko satria mangoraka* aho.+

  • 2 Tantara 30:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Raha miverina amin’i Jehovah mantsy ianareo, dia hamindra fo amin’ny rahalahinareo sy ny zanakareo ny olona naka azy ho babo,+ ka havelany hiverina eto amin’ity tany ity ry zareo.+ Fa mangoraka* sy mamindra fo i Jehovah Andriamanitrareo,+ ka tsy ho izy indray no handa anareo, raha miverina aminy ianareo.”+

  • Nehemia 9:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Tsy nety nihaino ry zareo+ ary tsy notadidiny ny asa mahatalanjona nataonao ho azy. Lasa mafy loha* koa izy ireo ka nanendry olona hitarika azy hiverina ho andevo tany Ejipta indray.+ Tsy nahafoy+ azy anefa ianao satria Andriamanitra vonona hamela heloka* sady mangoraka,* mamindra fo, tsy mora tezitra, ary tena be fitiavana sy tsy mivadika.*+

  • Salamo 86:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Fa ianao kosa, Jehovah ô, dia Andriamanitra mamindra fo sy mangoraka,*

      Tsy mora tezitra, tena be fitiavana sy tsy mivadika, ary mendri-pitokisana.*+

  • Joela 2:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Ary ny fonareo rovitina,+ fa tsy ny akanjonareo,+

      Dia miverena amin’i Jehovah Andriamanitrareo.

      Fa mangoraka* sy mamindra fo izy, tsy mora tezitra,+ ary tena be fitiavana sy tsy mivadika.+

      Hiova hevitra* izy ka tsy handefa loza indray.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara