FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 29:1, 2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 29 “Izao no hataonao hanamasinana azy ireo mba hanaovany ny asan’ny mpisorona eo anatrehako: Makà vantotr’ombilahy iray, sy ondrilahy roa samy tsy misy tsininy,+ 2 sy mofo tsy misy lalivay, sy mofo boribory* tsy misy lalivay sady nafangaro menaka,+ ary mofo fisaka tsy misy lalivay sady nohosorana menaka. Lafarinina varimbazaha tsara toto no hanaovanao an’ireo mofo ireo.

  • Eksodosy 29:40, 41
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 40 Ary izao no hampiarahina amin’ilay ondrilahy kely voalohany: Lafarinina tsara toto ampahafolon’ny efaha* afangaro menaka ampahefatry ny hina* avy amin’ny oliva voatoto, sy divay ampahefatry ny hina ho fanatitra zava-pisotro. 41 Ary izao no hampiarahinao amin’ilay ondrilahy kely faharoa hatolotrao amin’ny takariva:* Fanatitra varimbazaha sy fanatitra zava-pisotro hoatran’ilay amin’ny maraina. Ho fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah izany, mba ho hanitra mahafinaritra* azy.

  • Levitikosy 2:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 “‘Raha misy olona manolotra fanatitra varimbazaha+ ho an’i Jehovah, dia tokony ho lafarinina tsara toto izany, ary horarahany menaka sy hasiany ditin-kazo manitra eo amboniny.+

  • Levitikosy 9:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Avy eo, dia natolony ny fanatitra varimbazaha.+ Nakany eran’ny tanan’ila ilay izy, dia nodorany teo ambony alitara mba hidona-tsetroka, ho fanampin’ilay fanatitra dorana amin’ny maraina.+

  • Nomery 28:4, 5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Hatolotrao amin’ny maraina ny ondrilahy kely iray, fa ny iray kosa amin’ny takariva.*+ 5 Ny ondrilahy tsirairay dia hampiarahina amin’ny fanatitra varimbazaha, izany hoe lafarinina tsara toto ampahafolon’ny efaha,* afangaro menaka ampahefatry ny hina* avy amin’ny oliva voatoto.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara