-
Eksodosy 29:26-28Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
26 “Alaivo avy eo ny tratran’ilay ondrilahy, izay atao sorona rehefa hanendry an’i Arona ho mpisorona.+ Dia ahetsiketseho ho fanatitra ahetsiketsika eo anatrehan’i Jehovah ilay izy, ary iny no ho anjaranao. 27 Hamasino ny tratrany atao fanatitra ahetsiketsika sy ny feny atao anjara masina, izay nahetsiketsika sy nalaina avy tamin’ilay ondrilahy natao sorona rehefa notendrena ho mpisorona i Arona sy ny zanany lahy.+ 28 Ho an’i Arona sy ny zanany ireo satria anjara masina, dia anjara masina tsy maintsy homen’ny Israelita.+ Ho fitsipika mandrakizay ho an’ny Israelita izany. Ireo no anjara masina hatolotr’izy ireo ho an’i Jehovah avy amin’ny sorona iombonana ateriny.+
-
-
Levitikosy 7:34Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
34 Fa alaiko avy amin’ny sorona iombonana aterin’ny Israelita ny tratra izay atao fanatitra ahetsiketsika sy ny fe izay atao anjara masina, ka homeko an’i Arona mpisorona sy ny zanany lahy. Fitsipika tokony harahin’ny Israelita foana izany.+
-
-
Levitikosy 9:21Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 Fa ny tratran-kena sy ny feny ankavanana kosa nahetsiketsiny ho fanatitra ahetsiketsika teo anatrehan’i Jehovah, araka ny didy nomen’i Mosesy.+
-