FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Levitikosy 14:49-53
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 49 Dia haka vorona roa sy rantsankazo sedera sy kofehy mena midorehitra ary hysopa izy, mba hanadiovana an’ilay trano ho afaka amin’ny fahalotoana.*+ 50 Tokony hovonoiny ao anaty vilany tany misy rano avy amin’ny rano mandeha, ny vorona iray. 51 Dia halainy ny rantsankazo sedera, ny hysopa, ny kofehy mena midorehitra, ary ilay vorona velona, ka hatsobony ao anatin’ny ran’ilay vorona novonoina sy ao amin’ilay rano avy amin’ny rano mandeha. Ary hafafiny impito manandrify an’ilay trano izany.+ 52 Ary hodioviny ho afaka amin’ny fahalotoana* ilay trano, ka ireto no hanadiovany azy: Ny ran’ilay vorona, ilay rano avy amin’ny rano mandeha, ilay vorona velona, ilay rantsankazo sedera, ilay hysopa, ary ilay kofehy mena midorehitra. 53 Dia halefan’ny mpisorona any an-tsaha, any ivelan’ny tanàna, ilay vorona velona. Ary handrakotra ny fahotan’ilay trano izy, ka hadio izany.

  • Nomery 19:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Ary haka rantsankazo sedera sy hysopa*+ ary kofehy mena midorehitra ilay mpisorona, dia hatsipiny ao amin’ilay afo andoroana an’ilay ombivavy izany.

  • Nomery 19:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 “‘Ary hisy lehilahy anankiray madio hanangona ny lavenon’ilay ombivavy,+ dia hapetrany eo amin’ny toerana iray madio any ivelan’ny toby ilay lavenona. Tokony hotehirizin’ny vahoakan’Israely manontolo ilay izy, mba hafangaro amin’ny rano ampiasaina amin’ny fanadiovana.+ Fanatitra noho ny ota ilay ombivavy.

  • Salamo 51:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  7 Diovy amin’ny hysopa* aho mba ho afaka amin’ny fahotako, ka hadio;+

      Sasao aho mba ho fotsy noho ny lanezy.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara