-
Levitikosy 3:3-5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Ary hatolotr’ilay olona ho fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah ny ampahany amin’ilay sorona iombonana:+ Ny taviny+ manarona ny tsinainy, ny taviny rehetra miraikitra amin’ny tsinainy, 4 ary ny voa roa sy ny taviny eo amboniny, izany hoe ilay eo akaikin’ny tehezany. Hesoriny miaraka amin’ny voa koa ny jabora eo amin’ny atiny.+ 5 Hodoran’ireo zanakalahin’i Arona eo ambony alitara izany rehetra izany, mba hidona-tsetroka eo ambonin’ny fanatitra dorana izay efa eo ambonin’ny kitay, eo amin’ny afo.+ Fanatitra atao anaty afo izany, mba ho hanitra mahafinaritra* an’i Jehovah.+
-
-
Levitikosy 7:29-31Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
29 “Ilazao ny Israelita hoe: ‘Izay manolotra sorona iombonana ho an’i Jehovah dia haka ampahany amin’izany mba hateriny ho an’i Jehovah.+ 30 Ary hoentiny eny an-tanany ny tavin-kena+ sy ny tratran’ilay biby mba ho fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah. Dia hahetsiketsiny* ho fanatitra ahetsiketsika+ eo anatrehan’i Jehovah ireo. 31 Ary hodoran’ny mpisorona eo ambony alitara ny tavin-kena mba hidona-tsetroka,+ fa ny tratrany kosa ho an’i Arona sy ny zanany lahy.+
-