-
Levitikosy 2:10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Dia ho an’i Arona sy ny zanany lahy ny ambin’ilay fanatitra, ho zavatra masina indrindra avy amin’ny fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah.+
-
-
Levitikosy 6:14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 “‘Izao no lalàna momba ny fanatitra varimbazaha:+ Ianareo zanakalahin’i Arona no hanolotra an’ilay fanatitra eo anatrehan’i Jehovah eo anoloan’ny alitara.
-
-
Levitikosy 24:8, 9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Isaky ny Sabata no halahatra tsy tapaka eo anatrehan’i Jehovah ireo mofo.+ Fifanekena maharitra ela be ataony amin’ny Israelita izany. 9 Ho lasan’i Arona sy ny zanany lahy izany,+ ka hohanin’izy ireo ao amin’izay toerana masina,*+ satria zavatra masina indrindra ho an’ny mpisorona, avy amin’ny fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah. Fitsipika tokony harahina foana izany.”
-