FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Nomery 28:26-31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 “‘Amin’ny andron’ny voaloham-bokatra,+ izany hoe amin’ny fetin’ireo herinandro,+ rehefa manolotra fanatitra varimbazaha vaovao ho an’i Jehovah ianareo,+ dia tokony hanao fivoriambe masina. Aza manao asa mafy, na inona izany na inona.+ 27 Ireto no hatolotrareo ho fanatitra dorana, mba ho hanitra mahafinaritra* an’i Jehovah: Vantotr’ombilahy roa, sy ondrilahy iray, ary ondrilahy kely fito izay herintaona avy.+ 28 Ny fanatitra varimbazaha izay hampiarahina amin’ireo dia lafarinina tsara toto afangaro menaka, ka lafarinina telo ampahafolon’ny efaha no hampiarahina amin’ny ombilahy tsirairay, ary roa ampahafolon’ny efaha no hampiarahina amin’ilay ondrilahy. 29 Lafarinina ampahafolon’ny efaha kosa no hatolotrareo isaky ny ondrilahy kely amin’ny ondrilahy kely fito. 30 Manolora koa zanak’osy iray handrakofana ny fahotanareo.+ 31 Ireo no hatolotrareo miaraka amin’ny fanatitra zava-pisotro, ankoatra ny fanatitra dorana atolotra tsy tapaka sy ny fanatitra varimbazaha ampiarahina aminy. Tsy tokony hisy kilema ireo biby ireo.+

  • Deoteronomia 16:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 “Intelo isan-taona ny lehilahy rehetra eo aminao no hiseho eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrao, any amin’ilay toerana fidiny: Amin’ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay,+ sy ny Fetin’ireo Herinandro,+ ary ny Fetin’ny Trano Rantsankazo.*+ Tsy tokony hisy hitondra tanam-polo rehefa mankeo anatrehan’i Jehovah.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara