-
Levitikosy 12:7, 8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Hanolotra an’izany eo anatrehan’i Jehovah ny mpisorona, ka handrakotra ny fahotan’ilay vehivavy. Dia hadio ilay vehivavy nandeha ra. Izany no lalàna momba ny vehivavy teraka lahy na vavy. 8 Fa raha tsy takatry ny volany ny ondry, dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa izy:+ Ny iray ho fanatitra dorana, ary ny iray ho fanatitra noho ny ota. Ary handrakotra ny fahotan’ilay vehivavy ny mpisorona, ka hadio izy.’”
-
-
Levitikosy 14:21, 22Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 “Fa raha mahantra kosa ilay olona ka tsy mahatakatra an’izany, dia haka ondrilahy kely iray ho fanatitra noho ny heloka izy hatao fanatitra ahetsiketsika, mba handrakofana ny fahotany. Dia haka lafarinina tsara toto ampahafolon’ny efaha* nafangaro menaka izy, ho fanatitra varimbazaha. Haka menaka iray loga, 22 sy domohina roa na zana-boromailala roa koa izy, araka izay takatry ny volany. Ny vorona iray ho fanatitra noho ny ota, ary ny iray ho fanatitra dorana.+
-
-
Levitikosy 15:13-15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 “‘Rehefa tsy misy tsiranoka mivoaka intsony amin’ilay olona ka tsy mandoto azy intsony ilay izy, dia hiandry fito andro izy vao hidio. Dia hanasa ny akanjony izy ary handro amin’ny rano mandeha, ka hadio.+ 14 Haka domohina roa na zana-boromailala roa izy amin’ny andro fahavalo,+ ka hankeo anatrehan’i Jehovah eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana. Ary homeny ny mpisorona izany. 15 Dia hanolotra an’izany ny mpisorona, ka ny vorona iray ho fanatitra noho ny ota ary ny iray ho fanatitra dorana. Ary ny mpisorona handrakotra ny fahotan’ilay olona eo anatrehan’i Jehovah, noho izy nivoaka tsiranoka.
-