-
Deoteronomia 32:48-50Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
48 Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy tamin’iny andro iny: 49 “Miakara eo amin’io tendrombohitr’i Abarima io,+ dia ny Tendrombohitra Nebo+ ao Moaba, izay tandrifin’i Jeriko. Dia tazano ilay tany Kanana homeko ho fananan’ny Israelita.+ 50 Ary ho faty eo amin’io tendrombohitra hiakaranao io ianao, ka hangonina any amin’ny razambenao,* hoatran’i Arona rahalahinao izay maty teo amin’ny Tendrombohitra Hora+ ka nangonina tany amin’ny razambeny.
-