-
Nomery 25:17, 18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 “Mandehana tafiho ny Midianita ka aringano,+ 18 satria nila ady taminareo ry zareo ka nampiasa fitaka isan-karazany mba hahatonga anareo hanompo an’i Balan’i Peora.+ Nampiasainy koa i Kosby anabavin’izy ireo sady zanakavavin’ny mpiadidy midianita, dia ilay novonoina+ tamin’ilay andro nandefasana loza taminareo noho ianareo nanompo an’i Balan’i Peora.”+
-
-
Deoteronomia 4:3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 “Ny masonareo mihitsy no nahita an’izay nataon’i Jehovah tamin’ny olona rehetra nanaraka an’i Balan’i Peora. Naringan’i Jehovah Andriamanitrareo teo aminareo daholo ry zareo.+
-
-
Josoa 22:17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Mbola tsy ampy antsika angaha ny fahadisoana tany Peora? Isika aza mbola tsy voadio tamin’iny akory hatramin’izao, na dia efa nisy loza nihatra tamin’ny vahoakan’i Jehovah aza.+
-