FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 10:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Ny sisin-tanin’ny Kananita àry dia nanomboka tany Sidona ka hatrany Gerara,+ tany akaikin’i Gaza,+ ary hatrany Sodoma sy Gomora+ sy Adma ary Zeboima,+ tany akaikin’i Lesa.

  • Deoteronomia 4:38
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 38 Noroahiny niala teo anatrehanao izay firenena lehibe sy matanjaka noho ianao. Amin’izay ianao no hampidirina ao amin’ny tanin’izy ireo, ka homeny anao ilay izy mba ho lovanao, hoatr’izao androany izao.+

  • Josoa 1:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Ary hanomboka any an-tany efitra ny faritry ny taninareo dia hitohy hatrany Libàna sy hatrany Eofrata, ilay renirano lehibe, izany hoe ny tany rehetra izay an’ny Hetita,+ ka hatrany amin’ny Ranomasina Lehibe* eo andrefana.*+

  • Josoa 14:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Dia naka ny lovany tao amin’ny tany Kanana ny Israelita. I Eleazara mpisorona sy Josoa zanak’i Nona ary ireo lohan’ny fianakaviamben’ireo fokon’ny Israely no nanome azy ireo an’izany.+

  • Jeremia 3:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Ary nieritreritra aho hoe: ‘Hataoko ho isan’ny zanako lahy ianareo ary homeko an’ilay tany mahafinaritra, dia ilay lova tsara indrindra teo amin’ireo firenena!’*+ Nieritreritra koa aho hoe hiantso ahy hoe ‘Raiko!’ ianareo, ary tsy hiala amiko mihitsy.

  • Asan’ny Apostoly 17:26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 Ary avy tamin’ny olona anankiray+ no nanaovany ny firenena rehetra mba honina manerana ny tany.+ Ary nisy fotoana efa voatondrony sady nisy faritra efa nofaritany hipetrahan’ny olona,+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara