-
Eksodosy 27:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
27 “Manaova alitara amin’ny hazo akasia,+ ka ho dimy hakiho* ny lavany ary dimy hakiho ny sakany. Tokony ho efamira ilay izy, ary telo hakiho ny haavony.+ 2 Asio tandroka+ ny zorony efatra, ka tokony ho hazo iray tsy tapatapahina no hanaovanao an’ilay alitara sy ireo tandrony. Dia petaho takela-barahina ilay alitara.+
-
-
Eksodosy 30:1-3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
30 “Manamboara alitara handoroana emboka manitra,+ ka hazo akasia no hanaovanao azy.+ 2 Ho efamira ilay izy, ka iray hakiho* ny lavany, iray hakiho ny sakany, ary roa hakiho ny haavony. Ary tokony ho hazo iray tsy tapatapahina no hanaovana an’ilay alitara sy ireo tandrony.+ 3 Petaho takela-bolamena tsy misy fangarony ilay alitara, dia ny tampony sy ny lafiny rehetra manodidina ary ny tandrony. Ary asio sisiny* volamena manodidina ny tampony.
-