-
Nomery 3:30, 31Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
30 I Elizafana zanak’i Oziela+ no mpiadidy teo amin’ny fianakaviamben’ny* Kehatita. 31 Andraikitr’izy ireo ny nikarakara ny Vata,+ ny latabatra,+ ny fitoeran-jiro,+ ireo alitara,+ ny fitaovana+ ampiasaina rehefa manompo ao amin’ny toerana masina, ny lamba fanakonana,*+ ary izay rehetra ampiasaina amin’ny fanompoana mifandray amin’ireny.+
-
-
Nomery 4:12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Halain’izy ireo ny fitaovana hafa rehetra+ ampiasainy hanompoana tsy tapaka ao amin’ny toerana masina, ka hataony ao anaty lamba manga. Dia hosaronany hoditra faoky ireo, ka hataony eo ambonin’ny bao filanjana.
-