-
Nomery 10:11-13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Tamin’ny andro faha-20 tamin’ny volana faharoa, tamin’ny taona faharoa,+ dia niakatra ny rahona ka niala teo amin’ny tranolay+ misy ny Tenin’ny Vavolombelona. 12 Dia niainga ny Israelita ka niala tany an-tany efitr’i Sinay. Nanaraka tsara an’ilay filaharana efa napetraka izy ireo rehefa niainga.+ Ary nijanona tany an-tany efitr’i Parana+ ilay rahona. 13 Tamin’izay izy ireo no niainga voalohany, satria izay no baiko nampitain’i Jehovah tamin’i Mosesy.+
-