-
Eksodosy 40:36Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
36 Rehefa niakatra ilay rahona ka niala teo amin’ny tranolay masina, dia nifindra lasy ny Israelita. Dia hoatr’izay foana no nataon’izy ireo nandritra ny diany rehetra.+
-
-
Nomery 2:9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 “Misy 186 400 àry ireo voasoratra anarana rehetra ao amin’ny tafiky ny tobin’i Joda. Izy ireo no tokony hifindra lasy voalohany.+
-
-
Nomery 2:16, 17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 “Misy 151 450 àry ireo voasoratra anarana rehetra ao amin’ny tafiky ny tobin’i Robena. Izy ireo no tokony hifindra lasy faharoa.+
17 “Rehefa afindra ny tranolay fihaonana,+ dia tokony ho eo afovoan’ireo toby hafa ny tobin’ny Levita.
“Tokony ho arakaraka ny filaharan’izy ireo rehefa mitoby ihany no ho filaharany rehefa miainga,+ ka samy ho eo amin’ny filaharany avy ny tsirairay, arakaraka ny fizarana misy azy.
-
-
Nomery 2:24Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
24 “Misy 108 100 àry ireo voasoratra anarana rehetra ao amin’ny tafiky ny tobin’i Efraima. Izy ireo no tokony hifindra lasy fahatelo.+
-
-
Nomery 2:31Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
31 “Misy 157 600 àry ireo voasoratra anarana rehetra ao amin’ny tobin’i Dana. Izy ireo no tokony hifindra lasy farany,+ araka ny fizarana misy azy.”
-