-
Deoteronomia 1:32, 33Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
32 Mbola tsy nino an’i Jehovah Andriamanitrareo ihany anefa ianareo,+ na teo aza izany rehetra izany. 33 Nandeha teo alohanareo anefa izy teny an-dalana, mba hitady toerana hitobianareo. Nasehony hoe teo aminareo izy, ka afo no nampiasainy rehefa alina ary rahona rehefa antoandro, amin’izay dia hitanareo ny lalana tokony halehanareo.+
-
-
Josoa 3:3, 4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 ary nomen’izy ireo baiko ny vahoaka hoe: “Raha vao hitanareo lanjain’ny Levita mpisorona ilay Vata misy ny fifanekena+ nataon’i Jehovah Andriamanitrareo, dia mialà eo amin’izay misy anareo ka araho ilay izy. 4 Avelao hisy 2 000 hakiho* eo ho eo anefa manelanelana anareo sy ilay Vata, fa aza manakaiky an’ilay izy. Amin’izay dia ho fantatrareo ny lalana halehanareo, satria mbola tsy nandeha tamin’izany lalana izany ianareo.”
-