-
Eksodosy 40:36Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
36 Rehefa niakatra ilay rahona ka niala teo amin’ny tranolay masina, dia nifindra lasy ny Israelita. Dia hoatr’izay foana no nataon’izy ireo nandritra ny diany rehetra.+
-
-
Nomery 10:33, 34Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
33 Dia niala teo amin’ilay tendrombohitr’i Jehovah+ izy ireo, ka nandeha lalana telo andro. Nentina teo alohan’izy ireo foana ny Vata+ misy ny fifanekena nataon’i Jehovah, tao anatin’ireo telo andro ireo, mba hitady toerana azon’izy ireo akana aina.+ 34 Ary teo ambonin’izy ireo ilay rahon’i Jehovah+ rehefa antoandro, rehefa niainga avy teo amin’izay nitobiany izy ireo.
-
-
Salamo 78:14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Nitarika azy ireo tamin’ny alalan’ny rahona izy nandritra ny andro,
Ary tamin’ny hazavana avy amin’ny afo nandritra ny alina.+
-