-
Mpitsara 1:21Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 Tsy noroahin’ny Benjaminita kosa ny Jebosita nipetraka tao Jerosalema, fa mbola miara-mipetraka amin’izy ireo ao ihany hatramin’izao.+
-
-
2 Samoela 5:6, 7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Dia nandeha nankany Jerosalema ny mpanjaka sy ny olony mba hanafika an’ireo Jebosita+ nipetraka tao amin’ilay tany. Koa nanesoeso an’i Davida izy ireo hoe: “Tsy ho tafiditra eto mihitsy ianao! Na ny jamba sy ny kilemaina aza hahatohitra anao.” Nieritreritra mantsy ry zareo hoe: ‘Tsy ho tafiditra eto mihitsy i Davida.’+ 7 Azon’i Davida ihany anefa i Ziona, ilay tanàna voaro mafy, ilay lasa nantsoina hoe Tanànan’i Davida.+
-