-
Eksodosy 29:32Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
32 Dia hohanin’i Arona sy ny zanany+ eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana ny henan’ilay ondry sy ny mofo ao anatin’ilay harona.
-
-
Levitikosy 6:14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 “‘Izao no lalàna momba ny fanatitra varimbazaha:+ Ianareo zanakalahin’i Arona no hanolotra an’ilay fanatitra eo anatrehan’i Jehovah eo anoloan’ny alitara.
-
-
Levitikosy 10:12, 13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Dia hoy i Mosesy tamin’i Arona sy ny zanakalahin’i Arona sisa tavela, izany hoe i Eleazara sy Itamara: “Alaivo ny ambin’ilay fanatitra varimbazaha, avy amin’ny fanatitra natao tao anaty afo ho an’i Jehovah, dia anamboary mofo tsy misy lalivay. Ary hano eo akaikin’ny alitara izany,+ satria zavatra masina indrindra.+ 13 Hohaninareo ao amin’izay toerana masina* izany,+ satria anjaranao sy ny zanakao lahy avy amin’ny fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah, fa izany no didy nomena ahy.
-