-
Levitikosy 22:4-6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Tsy mahazo mihinana amin’ny zava-masina izay lehilahy taranak’i Arona, mandra-pahadiony,+ raha ohatra izy ka boka,+ na misy tsiranoka mivoaka amin’ny filahiany,+ na mikasika olona voaloton’ny faty,+ na mivoaka tsirinaina,+ 5 na mikasika biby maloto mifanaretsaka,+ na mikasika olona maloto, na inona na inona nandoto azy, ka mety hahatonga an’ilay lehilahy haloto.+ 6 Haloto mandra-paharivan’ny andro izay olona mikasika ny iray amin’ireo, ka tsy mahazo mihinana amin’ny zava-masina raha tsy efa nandro tamin’ny rano.+
-