-
Hebreo 9:9, 10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Fanoharana ilazana an’izao fotoana izao+ io tranolay io. Araka io fanoharana io, dia misy fanomezana sy sorona atolotra.+ Tsy mahatonga an’izay manao fanompoana masina hanana feon’ny fieritreretana madio tanteraka anefa ireny.+ 10 Zavatra momba ny sakafo sy ny zava-pisotro ary ny fombafomba fisasana*+ samihafa fotsiny ireny. Zavatra notakin’ny lalàna momba ny vatana ireny,+ ary natao nanan-kery mandra-pahatongan’ny fotoana voatondro hanitsiana ny zava-drehetra.
-
-
Hebreo 9:13, 14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Fa raha ny ran’osilahy sy ny ran’ombilahy+ ary ny lavenon’ny vantotr’ombivavy nafafy teo amin’izay naloto aza manamasina sy manadio ny vatana,+ 14 mainka fa ny ran’i Kristy!+ Natolony ho sorona tsy misy tsiny ho an’Andriamanitra mantsy ny tenany noho ny fiasan’ny fanahy masina mandrakizay. Ny rany koa no manadio ny feon’ny fieritreretantsika, ka tsy manao asa tsy misy dikany*+ intsony isika. Amin’izay isika dia ho afaka hanao fanompoana masina ho an’ilay Andriamanitra velona.+
-