-
Nomery 19:9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 “‘Ary hisy lehilahy anankiray madio hanangona ny lavenon’ilay ombivavy,+ dia hapetrany eo amin’ny toerana iray madio any ivelan’ny toby ilay lavenona. Tokony hotehirizin’ny vahoakan’Israely manontolo ilay izy, mba hafangaro amin’ny rano ampiasaina amin’ny fanadiovana.+ Fanatitra noho ny ota ilay ombivavy.
-
-
Nomery 19:17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Tokony hakana mba hanadiovana an’ilay olona maloto ilay lavenon’ny fanatitra noho ny ota izay efa nodorana. Hatao ao anaty vilia baolina ilay izy, dia horarahana rano nalaina avy amin’ny rano mandeha.
-
-
Nomery 19:19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 Ary hafafin’ilay olona madio amin’ilay olona maloto ilay rano, amin’ny andro fahatelo sy amin’ny andro fahafito, dia hodioviny ho afaka amin’ny ota izy amin’ny andro fahafito.+ Tokony hanasa ny akanjony izy avy eo, dia handro amin’ny rano, ka hadio amin’ny hariva.
-