-
Eksodosy 14:11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Dia niteny tamin’i Mosesy izy ireo hoe: “Tsy misy toeram-pandevenana angaha any Ejipta no nentinao ho faty atỳ an-tany efitra atỳ izahay?+ Fa inona ity nataonao taminay? Fa maninona no nentinao nivoaka avy tany Ejipta izahay?
-
-
Eksodosy 17:3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Main’ny hetaheta anefa ny vahoaka rehefa tany, ka nimenomenona tamin’i Mosesy foana+ hoe: “Fa maninona izahay no nentinao niakatra avy tany Ejipta? Tianao ho fatin’ny hetaheta atỳ angaha izahay sy ny zanakay ary ny biby fiompinay?”
-
-
Nomery 16:13, 14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Ianao aza efa nitondra anay niala tany amin’ny tany tondra-dronono sy tantely mba hahafaty anay atỳ an-tany efitra atỳ!+ Angaha tsy ampy anao izany no mbola mitady hanjakazaka aminay* koa ianao? 14 Tsy nampiditra anay tany amin’ny tany tondra-dronono sy tantely+ ianao, sady tsy nanome anay saha sy tanimboaloboka mba ho lovanay. Fa tadiavinao hopotsirina mihitsy ve ny mason’ireo olona ireo* e? Izahay tsy ho any!”
-