31 “Hataoko manomboka eo amin’ny Ranomasina Mena ka hatrany amin’ny ranomasin’ny Filistinina ny sisin-taninao, ary manomboka eo amin’ny tany efitra ka hatrany amin’ny Renirano.*+ Hataoko resinareo mantsy ny mponina ao amin’ilay tany, ary horoahinareo hiala eo anatrehanareo izy ireo.+
24 Ho lasanareo ny toerana rehetra handehanan’ny tongotrareo.+ Ary hanomboka any an-tany efitra ka hatrany Libàna ny sisin-taninareo, ary hanomboka any amin’ny Renirano, izany hoe ny reniranon’i Eofrata, ka hatrany amin’ny ranomasina andrefana.*+