-
1 Mpanjaka 4:34Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
34 Tonga mba hihaino ny fahendren’i Solomona ny olona avy any amin’ny firenena rehetra, anisan’izany ireo mpanjaka avy any amin’ny faritra rehetra eran-tany izay nandre momba ny fahendreny.+
-
-
1 Mpanjaka 10:4-7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Rehefa hitan’ilay mpanjakavavin’i Sheba ny fahendrena rehetra nananan’i Solomona,+ ny trano naoriny,+ 5 ny sakafo teo an-databany,+ ny fomba nametrahana an’ireo mpanompony, ny fomba fiasan’ireo mpandroso sakafo sy ny fitafian’izy ireo, ny mpandroso zava-pisotron’ny mpanjaka, ary ny sorona dorana izay natolony tsy tapaka tao an-tranon’i Jehovah, dia tena gaga be mihitsy izy. 6 Hoy àry izy tamin’ny mpanjaka: “Tena marina ny zavatra henoko tany amin’ny taniko momba ny zava-bitanao* sy ny fahendrenao. 7 Tsy nino ny tenin’ny olona anefa aho raha tsy tonga tatỳ, ka ny masoko mihitsy no nahita. Hay na ny antsasany aza tsy nolazaina tamiko! Fa mihoatra lavitra noho ny zavatra henoko ny fahendrenao sy ny harenanao.
-
-
Daniela 1:19, 20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 Rehefa niresaka tamin’izy ireo ny mpanjaka, dia hitany fa tsy nisy tahaka an’i Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria+ izy rehetra. Koa nanompo teo anatrehan’ny mpanjaka foana izy ireo. 20 Ary tamin’izay rehetra nanontanian’ny mpanjaka azy, dia hitany hoe nanana fahendrena sy fahiratan-tsaina avo folo heny izy ireo, raha oharina amin’ny mpisorona rehetra mpanao sikidy sy ny mpila hevitra amin’ny maty,+ eran’ny fanjakany.
-