-
Genesisy 15:5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Dia nitondra azy nankeo ivelany izy, ka niteny hoe: “Mba jereo ange ny lanitra, azafady e! Dia isao ny kintana raha mahavita manisa azy ianao.” Hoy koa izy taminy: “Ho tahaka an’ireo ny taranakao.”+
-
-
Eksodosy 32:13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Tsarovy i Abrahama sy Isaka ary Israely mpanomponao, izay nanaovanao fianianana hoe: ‘Hataoko lasa be dia be hoatran’ny kintana eny amin’ny lanitra ny taranakareo.+ Ary homeko ny taranakareo io tany manontolo io, izay efa nofidiko ho azy ireo. Dia ho azon’izy ireo alaina ho fananany mandrakizay izy io.’”+
-
-
Nomery 26:51Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
51 Nisy 601 730 àry ny Israelita rehetra voasoratra anarana.+
-