-
Nomery 18:21Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 “Efa nomeko ho lovan’ny taranak’i Levy ny ampahafolon-karena rehetra+ eo amin’ny Israely, ho takalon’ny fanompoana ataony, dia ny fanompoana ao amin’ny tranolay fihaonana.
-
-
Nehemia 10:38, 39Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
38 Rehefa manangona ny ampahafolony ny Levita, dia tokony hisy mpisorona taranak’i Arona hiaraka aminy. Ary ny ampahafolon’izany kosa tokony haterin’ny Levita ao an-tranon’Andriamanitray,+ ao amin’ny efitra* ao amin’ny trano fitehirizana. 39 Fa any amin’ireo efitra fitehirizana* no tokony hanateran’ny Israelita sy ny taranak’i Levy an’izay ataony fanomezana,+ dia ny varimbazaha sy ny divay vaovao ary ny menaka.+ Any koa no misy ny fitaovana ho an’ny toerana masina, dia any no alehan’ny mpisorona manao fanompoana sy ny mpiandry vavahady ary ny mpihira. Ary tsy hanao tsirambina ny tranon’Andriamanitray izahay.”+
-
-
Malakia 3:8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 “Hahavita handroba an’Andriamanitra ve ny olombelona? Ianareo anefa mandroba ahy.”
Dia hoy ianareo: “Fa inona no nataonay no hoe nandroba anao izahay?”
“Tsy nitondra ampahafolon-karena sy fanomezana ianareo.
-