FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Levitikosy 27:30
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 30 “‘An’i Jehovah ny ampahafolony+ rehetra avy amin’ny tany, na avy amin’ny vokatry ny tany izany na avy amin’ny voan’ny hazo. Zava-masina ho an’i Jehovah izany.

  • Nehemia 10:37
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 37 Ary hoentinay any amin’ny mpisorona ao amin’ny efitra fitehirizana* ao an-tranon’Andriamanitray+ ny santatry ny varimbazahanay tsy nototoina malemy.+ Haterinay any koa ny fanomezanay, ny vokatry ny karazan-kazo rehetra,+ ny divay vaovao, ary ny menaka.+ Dia hatolotray ho an’ny Levita ny ampahafolon’ny vokatry ny taninay,+ satria ny Levita no manangona ny ampahafolony, any amin’ny tanàna rehetra misy ny tanimbolinay.

  • Nehemia 12:44
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 44 Tamin’izay koa, dia nisy lehilahy notendrena hiandraikitra ny trano fitehirizana+ an’ireo fanomezana+ sy voaloham-bokatra+ ary ampahafolon-karena.+ Tsy maintsy nangonin’izy ireo tao ny anjaran’ny mpisorona sy ny Levita+ araka izay notakin’ny Lalàna,+ dia izay nalaina avy tamin’ny sahan’ny tanàna. Faly mantsy ny olona tany Joda satria nanao fanompoana ny mpisorona sy ny Levita.

  • Hebreo 7:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Marina fa raha ny Lalàna no jerena, dia izay anisan’ny taranak’i Levy+ voatendry ho mpisorona no asaina manangona ny ampahafolon-karena avy amin’ny olona,+ izany hoe avy amin’ireo rahalahiny, na dia taranak’i* Abrahama koa aza izy ireny.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara