FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 14:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • Genesisy 28:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Ary ho lasa tranon’Andriamanitra ity vato naoriko ho tsangambato ity.+ Dia tsy maintsy homeko azy ny ampahafolon’izay rehetra homeny ahy.”

  • Nomery 18:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 “Efa nomeko ho lovan’ny taranak’i Levy ny ampahafolon-karena rehetra+ eo amin’ny Israely, ho takalon’ny fanompoana ataony, dia ny fanompoana ao amin’ny tranolay fihaonana.

  • Nomery 18:26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 “Teneno ny Levita hoe: ‘Hahazo ny ampahafolon-karena avy amin’ny Israelita ianareo, ary efa nomeko anareo ho lovanareo izany.+ Dia tokony hataonareo fanomezana ho an’i Jehovah ny ampahafolony amin’ilay ampahafolon-karena.+

  • Deoteronomia 14:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 “Tsy maintsy manome ny ampahafolon’ny vokatra rehetra avy amin’ny voa nafafinao ianao, dia izay vokatry ny saha isan-taona.+

  • 2 Tantara 31:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Raha vao nivoaka izany baiko izany, dia nanome voaloham-bokatra be dia be ny Israelita, izany hoe voaloham-bokatra tamin’ny varimbazaha, divay vaovao, menaka,+ tantely, ary tamin’ny vokatra rehetra teny an-tsaha.+ Nitondra ny ampahafolon’ny zava-drehetra nananany koa izy ireo, ary be dia be no nomeny.+

  • Nehemia 13:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Ary ny Joda rehetra kosa nanatitra ny ampahafolon’ny+ varimbazaha sy ny divay vaovao ary ny menaka, tao amin’ny efitra fitehirizana entana.+

  • Malakia 3:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Ento ao an-trano fitehirizana àry ny ampahafolon-karena rehetra,+ mba hisy sakafo ao an-tranoko.+ Ary tsapao toetra amin’izany ange aho e”, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, “dia ho hitanareo fa hosokafako ho anareo ny vavahadin-dranon’ny lanitra.+ Dia handrotsaka fitahiana be dia be aminareo aho, mihoatra noho izay ilainareo aza.”+

  • Lioka 11:42
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 42 Fa hahita loza ianareo Fariseo, satria manome ny ampahafolon’ny solila sy ny rota ary ny zavamaniry mani-pofona* hafa rehetra+ ianareo, nefa tsy raharahianareo ny rariny sy ny fitiavana an’Andriamanitra! Tsy maintsy omenareo ny ampahafolon’ireny, nefa tsy maintsy ataonareo koa ireo zavatra hafa ireo.+

  • Hebreo 7:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Marina fa raha ny Lalàna no jerena, dia izay anisan’ny taranak’i Levy+ voatendry ho mpisorona no asaina manangona ny ampahafolon-karena avy amin’ny olona,+ izany hoe avy amin’ireo rahalahiny, na dia taranak’i* Abrahama koa aza izy ireny.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara