-
Nehemia 10:38, 39Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
38 Rehefa manangona ny ampahafolony ny Levita, dia tokony hisy mpisorona taranak’i Arona hiaraka aminy. Ary ny ampahafolon’izany kosa tokony haterin’ny Levita ao an-tranon’Andriamanitray,+ ao amin’ny efitra* ao amin’ny trano fitehirizana. 39 Fa any amin’ireo efitra fitehirizana* no tokony hanateran’ny Israelita sy ny taranak’i Levy an’izay ataony fanomezana,+ dia ny varimbazaha sy ny divay vaovao ary ny menaka.+ Any koa no misy ny fitaovana ho an’ny toerana masina, dia any no alehan’ny mpisorona manao fanompoana sy ny mpiandry vavahady ary ny mpihira. Ary tsy hanao tsirambina ny tranon’Andriamanitray izahay.”+
-
-
Malakia 3:10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Ento ao an-trano fitehirizana àry ny ampahafolon-karena rehetra,+ mba hisy sakafo ao an-tranoko.+ Ary tsapao toetra amin’izany ange aho e”, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, “dia ho hitanareo fa hosokafako ho anareo ny vavahadin-dranon’ny lanitra.+ Dia handrotsaka fitahiana be dia be aminareo aho, mihoatra noho izay ilainareo aza.”+
-