-
Deoteronomia 17:2, 3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 “Andeha hatao hoe misy lehilahy na vehivavy eo aminareo, ao amin’ny iray amin’ny tanàna homen’i Jehovah Andriamanitrao anao, ka manao izay ratsy eo imason’i Jehovah sady mivadika amin’ny fifanekena nataon’Andriamanitra.+ 3 Dia lasa manompo andriamani-kafa izy ary miankohoka amin’ireny, na amin’ny masoandro, na amin’ny volana na amin’izay rehetra eny amin’ny lanitra,+ nefa zavatra tsy mba nandidiako izany.+
-