-
Eksodosy 12:3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Mitenena amin’ny vahoakan’Israely manontolo hoe: ‘Samy tokony haka ondry+ iray avy ho an’ny ankohonan-drainy izy ireo amin’ny andro fahafolo amin’ity volana ity, izany hoe ondry iray isam-pianakaviana.
-
-
Nomery 9:2, 3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 “Tokony hataon’ny Israelita vonona ny biby hatao sorona hankalazana ny Paska,+ amin’ny fotoana voatondro.+ 3 Tokony hataonareo vonona ilay izy amin’ny andro faha-14 amin’ity volana ity, amin’ny takariva,* amin’ny fotoana voatondro. Araka ny lalàna rehetra sy araka ny fanao rehetra momba azy io no tokony hikarakaranareo azy.”+
-