-
Nomery 21:13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Dia niala teo indray izy ireo ka nitoby tao amin’ny faritr’i Arnona,+ izay tany an-tany efitra. Nanomboka teo amin’ny sisin-tanin’ny Amorita io tany efitra io. Fa i Arnona no sisin-tanin’i Moaba, teo anelanelan’i Moaba sy ny tanin’ny Amorita.
-
-
Mpitsara 11:17, 18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Dia naniraka olona nankany amin’ny mpanjakan’i Edoma+ ny Israely, mba hiteny hoe: “Mba avelao izahay handalo ao amin’ny taninao!” Tsy navelan’ny mpanjakan’i Edoma anefa ry zareo. Naniraka olona hiresaka tamin’ny mpanjakan’i Moaba+ koa izy ireo. Tsy nanaiky koa anefa izy. Nijanona tany Kadesy+ àry ny Israely. 18 Rehefa nandeha namakivaky ny tany efitra izy ireo, dia tsy nandalo tany Edoma+ sy Moaba fa nanodidina. Nandeha tany atsinanan’i Moaba+ ry zareo ary nitoby tao amin’ny faritr’i Arnona, fa tsy niditra tao amin’ny faritr’i Moaba. Tany amin’ny sisin-tanin’i Moaba+ mantsy no nisy an’i Arnona.
-