-
Nomery 20:17, 18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Mba avelao handalo ao amin’ny taninao re izahay e! Tsy handeha eny amin’ny saha na tanimboaloboka izahay, sady tsy hisotro rano amin’izay lavadrano ao. Fa ny Lalan’ny Mpanjaka no handehananay, ary tsy hivily hiankavanana na hiankavia izahay, raha tsy efa tafavoaka ny taninao.’”+
18 Hoy anefa i Edoma taminy: “Tsy mahazo mandalo ato amin’ny taninay ianareo, sao dia hotsenaiko amin’ny sabatra eo!”
-
-
Deoteronomia 2:5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Aza mila ady aminy, fa tsy hisy homeko anareo ny taniny na dia eram-paladia aza. Efa nomeko ho an’i Esao mantsy ny Tendrombohitra Seira.+
-
-
Deoteronomia 2:9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Hoy i Jehovah tamiko avy eo: ‘Aza mila vaniny na miady amin’ny Moabita, fa tsy hisy homeko ho anareo ny taniny. Efa nomeko ho an’ny taranak’i Lota+ mantsy i Ara.
-
-
Deoteronomia 2:19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 Rehefa mandalo eny akaikin’ny Amonita ianao, dia aza mila vaniny na mila ady aminy. Fa tsy hisy homeko ho anao ny taniny, satria efa nomeko ho an’ny taranak’i Lota izany.+
-