-
2 Mpanjaka 25:7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Dia novonoin’izy ireo teo imason’i Zedekia ireo zanany lahy. Ary nopotsirin’i Nebokadnezara ny mason’i Zedekia avy eo. Dia nofatorany tamin’ny gadra varahina izy, ary nentiny tany Babylona.+
-
-
2 Tantara 33:11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Koa nasain’i Jehovah notafihin’ny lehiben’ny tafiky ny mpanjakan’i Asyria izy ireo. Dia nosamborin’ireny sy nasiany faraingo* i Manase. Nasiany gadra varahina roa koa ny tongony, dia nentiny tany Babylona izy.
-
-
2 Tantara 36:5, 6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Lasa mpanjaka i Joiakima+ tamin’izy 25 taona, ary nanjaka 11 taona tany Jerosalema izy. Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah Andriamaniny foana izy.+ 6 Dia niakatra hanafika azy i Nebokadnezara+ mpanjakan’i Babylona, mba hamatotra azy ka hanisy gadra varahina roa amin’ny tongony, ary hitondra azy any Babylona.+
-