-
Jeremia 26:20, 21Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 “Nisy lehilahy hafa koa naminany tamin’ny anaran’i Jehovah, dia i Oria zanak’i Semaia avy any Kiriata-jearima.+ Naminany hoatran’i Jeremia izy hoe hisy loza hanjo an’ity tanàna ity sy ity tany ity. 21 Nahare ny tenin’i Oria i Joiakima+ Mpanjaka sy ny miaramilany matanjaka rehetra ary ny andrianany rehetra. Koa nitady hamono azy ho faty+ ny mpanjaka. Natahotra i Oria raha vao naheno an’izany, ka nandositra nankany Ejipta.
-
-
Jeremia 36:32Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
32 Dia naka horonam-boky hafa i Jeremia, ka natolony an’i Baroka mpitan-tsoratra,+ zanak’i Neria. Koa nosoratan’i Baroka tao ny teny rehetra notononin’i Jeremia, izay efa tao amin’ilay horonam-boky* nodoran’i Joiakima mpanjakan’ny Joda.+ Ary mbola nampiana teny maro hafa hoatran’ireo, tao amin’ilay izy.
-