12 Dia hoy Andriamanitra: “Hanampy anao aho!+ Ary izao no famantarana hahalalanao fa izaho no naniraka anao: Hanompo an’ilay tena Andriamanitra eto amin’ity tendrombohitra ity ianareo,+ rehefa tafavoakanao avy any Ejipta ny vahoaka.”
31 Hitan’ny Israely koa ny nampiasan’i Jehovah hery* lehibe hamelezana ny Ejipsianina. Dia natahotra an’i Jehovah ny vahoaka, sady nino an’i Jehovah sy Mosesy mpanompony.+