-
Eksodosy 13:14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 “Raha manontany anao ny zanakao any aoriana any hoe: ‘Fa maninona isika no manao an’izao?’, dia lazao aminy hoe: ‘Nampiasa herin-tsandry i Jehovah mba hamoahana antsika avy tany Ejipta, toerana nanandevozana antsika.+
-
-
Deoteronomia 6:20, 21Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 “Raha manontany anao ny zanakao any aoriana any hoe: ‘Inona no dikan’ireny fampahatsiahivana sy fitsipika ary didim-pitsarana nandidian’i Jehovah Andriamanitsika anareo ireny?’, 21 dia izao no holazainao aminy: ‘Andevon’i Farao isika tany Ejipta, nefa nentin’i Jehovah nivoaka avy tany tamin’ny herin-tsandriny.
-