-
Josoa 15:13, 14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Ary nomena anjara teo amin’ny taranak’i Joda i Kaleba+ zanak’i Jefone, araka ny baiko nomen’i Jehovah an’i Josoa. Nomena azy i Kiriata-arba, izany hoe Hebrona. Rain’i Anàka io Arba io.+ 14 Dia noroahin’i Kaleba niala tao ny zanak’i Anàka telo lahy,+ dia i Sesay sy Ahimana ary Talmay,+ izay taranak’i Anàka.
-
-
Mpitsara 1:10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Nandeha àry ny fokon’i Joda ka niady tamin’ny Kananita nipetraka tany Hebrona, izay nantsoina hoe Kiriata-arba taloha. Dia nasian’izy ireo i Sesay sy Ahimana ary Talmay.+
-