FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Mpitsara 4:21, 22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Reraka be i Sisera tamin’izay ka natory be. Naka fantsika be fanenjanan-day sy marotoa anefa i Jaela vadin’i Hebera. Dia nitsaitsaika nankeo amin’i Sisera izy ary natsatony teo amin’ny fihirifany ilay fantsika be, ka nokapohiny hilentika hatrany anaty tany. Dia maty i Sisera.+

      22 Ary tonga tany i Baraka nanenjika an’i Sisera. Dia nitsena azy i Jaela ka niteny hoe: “Avia fa hasehoko anao ilay lehilahy tadiavinao.” Dia niditra tao amin’ilay tranolay izy ireo, ary nahita an’i Sisera maty teo. Mbola teo amin’ny fihirifany ilay fantsika be.

  • Mpitsara 5:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Tahina mihoatra noho ny vehivavy rehetra i Jaela,+

      Vadin’i Hebera+ Kenita,

      Tahina mihoatra noho ny vehivavy rehetra mipetraka any anaty tranolay izy.

  • Mpitsara 5:26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 Dia nalainy ny fantsika be fanenjanan-day,

      Noraisiny tamin’ny tanana havanana ny marotoa,

      Dia nasiany tamin’iny i Sisera, ka vaky ny lohany.

      Nokapohiny mafy be ny fihirifany ary nolavahany.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara