7 Nohamasinin’izy ireo* àry i Kedesy+ any Galilia any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Naftaly, sy Sekema+ any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima, ary Kiriata-arba,+ izany hoe Hebrona, any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Joda.
9 Ireo tanàna ireo no nofidina ho an’ny Israelita rehetra sy ho an’ny vahiny nonina teo amin’izy ireo, mba ho afaka handositra any izay nahafaty olona tsy nahy.+ Amin’izay izy dia tsy ho faty novonoin’ny mpamaly ra, alohan’ny hitsarana azy eo anatrehan’ny vahoaka.+
32 Ary ny avy tamin’ny fokon’i Naftaly dia ilay tanàna fialokalofan’izay nahafaty olona,+ izany hoe ny tanànan’i Kedesy+ any Galilia sy ny kijanany. Azony koa i Hamota-dora sy ny kijanany, ary Kartana sy ny kijanany, izany hoe tanàna telo.