-
Nomery 10:29-32Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
29 Ary hoy i Mosesy tamin’i Hobaba zanak’i Regoela*+ Midianita, rafozandahin’i Mosesy: “Handeha izahay ka ho any amin’ilay toerana nolazain’i Jehovah hoe: ‘Homeko anareo io.’+ Andao hiaraka aminay+ fa hokarakarainay tsara ianao, satria i Jehovah efa nampanantena zavatra tsara ho an’ny Israely.”+ 30 Hoy anefa i Hobaba: “Tsy handeha aho fa hody any amin’ny taniko sy ny havako.” 31 Dia hoy i Mosesy: “Aza ilaozana re izahay e! Ianao mantsy no mahalala hoe aiza izahay no tokony hitoby atỳ an-tany efitra, dia ianao no afaka mitari-dalana anay.* 32 Raha miaraka aminay ianao,+ dia tena homenay amin’izay soa rehetra hataon’i Jehovah aminay.”
-