-
Mpitsara 13:19, 20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 Dia nalain’i Manoa ilay zanak’osy sy ny fanatitra varimbazaha, ka nataony teo ambonin’ilay vatolampy ary natolony ho an’i Jehovah. Ary nanao zava-mahagaga Izy, raha mbola nijery teo ry Manoa mivady. 20 Rehefa niakatra ho eny amin’ny lanitra ny lelafo teo amin’ny alitara, dia nankao anatin’ilay lelafo ilay anjelin’i Jehovah. Tonga dia niankohoka tamin’ny tany ry Manoa mivady rehefa nahita an’izany.
-